Filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent : «Hahintsana ireo kandidà mampiasa fitaovam-panjakana»

Hentitra sy nahitsy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, amin’izao fiatrehana ny fifidianana depiote izao. Handray fepetra ho an’ireo kandidà mihoa-pefy izy ireo.

Mahavelom-panantenana? “Tsy hiandry fitoriana izahay fa handray andraikitra avy hatrany rehefa voamarina fa nandika lalàna ny kandidà iray. Hilatsaka ny sazy ho azy ireny ka anisan’izany ny fanalana an-daharana azy tsy ho kandidà hifaninana hofidiana ho solombavambahoaka”, hoy ny fanambaran’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, teny Ala­robia, tamin’ny herinandro teo.
«Anisan’ny hiharan’izany ireo manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, ny fampiasana fitaovam-panjakana, fahefam-panjakana, olom-panjakana, hikatsahana tombontsoa manokana amin’io fifidianana depiote io.», araka ny fanambarana.
Anisan’ny sazy hihatra amin’ireo kandidà solombavambahoaka mihoa-pefy koa ny fanafoanana manontolo na ampahany ny voka-pifidianana amin’ireo toerana voamarina fa nisehoana hosoka na fihoaram-pefy sy fandikan-dalàna.

Tsy levon’ny vavon’ny mpanohitra
Tsiahivina fa anisan’ny tsy levon’ny vavon’ny mpanohitra ary nohitrikitrihin’ny mpitarika eo anivon’ny Vovonana Firaisankina, Ravalomanana Marc, io fanjakazakan’ny sasany sahady amin’ny fahefam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana io. Efa misy manao izany, araka ny voalazany, any amin’ny faritra rehetra any. Nanondro mivantana ny tomponandraikitra ambony iray eo anivon’ny governemanta mihitsy izy ireo tamin’
izany.
Andrasana, araka izany, ny ho fampiharan’ny eo anivon’ny HCC, araka ny tokony ho izy ny fepetra sy ny sazy voalazany. Indrindra ny fihoaram-pefy mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana depiote.

Synèse R.

Partager sur: