Fifidianana: hanolotra kandidà depiote ny Kolekitifa

Handray anjara amin’ny fifidianana depiote ny eo anivon’ny Kolekitifa ho an’ny Malagasy. Nambaran’izy 5 mirahalahy fa mila mifidy ny kandidà hatolotry ny Kolekitifa ny vahoaka ho fanohizana ny tolona efa natao. “Afaka mifidy ny kandidàn’ny mpanohitra isika amin’ireo toerana tsy ahitana ny kandidànay”, hoy izy ireo. Anisan’ny paikady amin’izany ny fijerena ny kandidà, miainga avy eny ifotony, tahaka ny nitondrana ny tolona ihany. Tsy hifanitsaka amin’ny toerana efa misy ny kandidàn’ny mpanohitra hafa na ny Firaisankina kosa anefa ny Kolekitifa.
Nitondran’izy ireo fanazavana fa iray ny tanjona eo amin’izy ireo sy ny Firaisan­kina. Iray ny lalana fa ny hevitra sy ny fomba ahatongavana amin’izany kosa no tsy mitovy. “Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny fahantrana izahay. Faha­valonay koa ny fanamparam-pahefana, ny tsy fanarahan-dalàna. Tsy tanjona kosa anefa ny fifaninanan’ny samy mpanohitra”, hoy ihany ny Kolekitifa.
Nohamafisin’izy ireo fa anisan’ny fanohizana ny tolona niarahana tamin’ny taona lasa ny fahazoana toerana solombavambahoaka maro eny amin’ny Lapan’i Tsimba­zaza. “Hanova an’i Madaga­sikara isika, hampitsaharana ny fanjakana tsy tan-dalàna”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa ahitana an’Andrianainarivelo Hajo, Raobelina Andry, Ratsietison Jean Jacques, Ratsiraka Roland ary Razafinjoelina Tahina ny Kolekitifa ho an’ny Malagasy.

Synèse R.

Partager sur: