Fidorohana rongony: valo lahy noraofin’ny polisy

Lehilahy miisa valo no voasambotry ny polisy, afakomaly, tao amin’ny fokontany Tsiamahavaokely-Mo­rondava. Tratra nifoka rongony ireo lehilahy ireo ka indray noraofin’ny polisy avokoa. Fantatry ny polisy ao an-toerana ny ny fisiana andiana lehilahy maromaro mifoka rongony. Fantatra tamin’izay koa ny toerana sy fotoana fanaovan’ izany. Vokany, nametraka ny paik’ ady hisamborana ireo lehilahy ka tratra ambodioby avokoa izy valo lahy. 45 taona no zokiny indrindra raha 17 taona kosa ny zandariny indrindra, hoy ny polisim-pirenena. Ankoatra izay, mbola nahitana fonosana rongony maro koa teo amin’ ilay trano tsy lavitra ny toerana nifoahan’ireo lehilahy rongony. Ka ilay tompon-trano ihany koa no mivarotra sy mamatsy io zava-mahadomelina . Ireo voasambotra kosa noentina teny amin’ny biraon’ny polisy nanaovana famotorana.

Henintsoa Hani

Partager sur: