Nosamborina ny ramatoa vadina dokotera miasa ao Ambaladimera II sy mpamily fiara iray, afakomaly. Voalaza fa nanodinkodina simenitra anamboarana ny toby miaramila Boa any an-toerana izy ireo. Naharay antso an-tariby ny tomponandraikitry ny tetikasa, fa misy manodinkodina ireo simenitra any an-toerana. Nijery ny zava-misy avy hatrany ny zandary sy ny sefo fokontany.
Raha tsiahivina, tonga haka simenitra miisa 161 tany Ambalamidera II ny mpamily an’ilay fiara IMM 1681FD io andro io mba hanamboarana ny toby. Tsy tao an-toerana anefa A/toa Christophe, mpitana fanalahidin’ny magazay tamin’izany fa nasainy nopitsohan’ny mpamily sy ireo mpiambina hafa ny varavarana. Efa tao anaty fiara avokoa ny simenitra tamin’ny fahatongavan’ny zandary. Naverina nisaina ka niisa 93 ny fitambaran’ireo simenitra ireo. Natao ny fanadihadiana ireo mpiambina fa R/toa Voahanginirina Aimée Chantal, vadina dokotera any an-toerana no nividy ireo simenitra tamin’ A/toa Christophe, mpitana fanalahidy. Nilaza io ramatoa io fa A/toa Njaka, mpamily fiara iray hafa anisan’ny nitondra simenitra 10. Natao ny fanarahan-dia ka tratra tany Soarano io fiara io niaraka tamin’ireo simenitra noentiny. Efa eo am-pelatanan’ny zandarimariam-pirenena Mahazoarivo ny tohin’ny raharaha.
Mino ( Mpianatra Asa)