Bianco – Ady amin’ny kolikoly: anaovana angaredo­na ny tambajotran’ny tsimatimanota

Nomarihina, omaly, ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Nampita ha­fa­tra momba izany ny eo anivon’ ny Bianco, manoloana ny tranga miseho eto amin’ny firenena.
“Tsy maintsy akatona miaraka ireo hirika manome va­hana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena. Andao hiara-mientana hitsipaka ny tsikombakomba sy ny tambajotran’ny tsimatimanota mba hampiharana tsy misy tomika ireo didy aman-dalàna manankery”, hoy ny hafatry ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric.
Fepetra hahalavorary ny ady amin’ny fahalovana ny an­garedona ataon’ny olom-pirenena tsara sitrapo sy resy lahatra fa tsy misitraka ny anjara masoandrony ny olona tia sy ny mpanao kolikoly. Andao tohizina ireo ezaka efa vita mba hirindran’ny fiarahamonina tsy misy raorao. Andao hiainana ny toe-tsaina mandà kolikoly mba samy ho resy lahatra fa anjara biriky lehibe amin’ny ady iombonana izany. Andao koa hiaraka handrava ny manda mampanjary ny kolikoly na eo amin’ ny sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.
Hanoherana ny fahalovana

Izao tontolo izao miaraka mandresy ny kolikoly. Izany no teny faneva entin’ny Fire­nena mikambana (ONU), hankalazana ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Eo ankatoky ny faha-20 taona amin’ity taona ity ny ady maneran-tany amin’ny kolikoly. Tsy mivaona amin’izany ny lohahevitra nosafidintsika : “andao tohizana ny angaredona hanoherana ny fahalovana”. Mbola tsy misitraka tsy misy tomika ny anjara ma­soandrony ny Malagasy.
Koa manainga ny tsirairay izy handray ny andraikitra tandrify amin’izany. Mitaky fa­ha­vononana sy fanentanana satria antoky ny fivoaram-piainana, katsahina isan’andro ho an’ny tena sy ny taranaka izany.

R. Nd.

Partager sur: