“Raha ampitahaina ny tamin’ny 29 marsa 1947 ny amin’izao, toy ny ny tamin’ny 1991, 2002, 2009… : mbola miady hatrany isika. Tsy fantatra hatramin’ izao izay iadiana hoe: mitaky fahafahana?”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Tsiombe, i Masy Goulamaly, amin’izao fahatsiarovana ny 29 marsa izao. Marina fa hoe azo ny Fahaleovantena, nefa mbola avy any ivelany ny zavatra iainana eto Madagasikara. Mba tsy hitenenana hoe 80% amin’ny vola kirakiraina dia mbola avy any ivelany. Tsy fantatra hoe Fahaleovantena inona no ananana amin’izany.
Raha hoe mitolona amin’ ny fahafahana sy afaka ny tena, tsy misy fiankinan-doha intsony amin’ny ivelany. Inona no mahatonga an’izay? Samy miezaka ny mpitondra mifandimby. Tsy misy mpanao politika tsy milaza hoe tia tanindrazana. Nefa mifanohitra amin’izany ny zava-miseho. “Raha ny tia tanindrazana isika, tsy mahantra toy izao i Madagasikara”, hoy izy. Manana andraikitra avokoa ny rehetra ary ifampizarana izay. Tokony hisy ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka handray izay tandrify azy.
R. Nd.