Rabevahiny Elia : “Tsy ny Malagasy no nanapoaka ny 29 marsa 47”

77 taona katroka ny “Raharaha 29 marsa 47”. Aiza ho aiza ny fahalalana sy fahatsiarovana ny tantara? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny “Raharaha 29 marsa 47”?
Rabevahiny Elia (-): Toy ny isan-taona, mahatsiaro manokana ny Otrikafo… Fahatsiarovana no atao fa tsy fankalazana. Nohararaotin’ny Frantsay nanapotehana ny tia tanindrazana malagasy ny 29 marsa 1947. Tsy izahay, sanatria, no hankalaza ny famonoana ny Malagasy. Ny somary manahirana amin’izao, lasa politika be loatra… Zava-dehibe ny fahatsiarovana azy sy ny fampahatsiahivana ny fitiavan-tanindrazana: misy tolona natombok’ireo razambentsika tsy mbola vita hatramin’izao: aiza ho aiza isika, inona no adidy aman’andraikitsika? Ao anatin’izay ny fampahatsiahivana izay tolona tsy mbola vitan’ireo raiamandreny ireo izay. Eo koa ny adidintsika taranaka ankehitriny…

* Inona no tokony hatao amin’izao?
– Misy ny ady nataon’ny raiamandrenintsika: ahoana ny hanesorana ny Frantsay amin’ny fanagejana sy ny fitantanana an’i Madagasikara? Taona 2024, mbola miseho izay amin’ny endriny hafa. Sanatria ve ambakan’izy ireo isika, ka tsy misy inona azo atao hanavotana ny firenena? Manala an’i Mada­gasikara amin’izao fahantrana sy fanagejana misy azy izao. Zava-dehibe ny ahazoana manohy ny tolon’ireo tia tanindrazana: tena tolona fa tsy fahatsiarovana fanao isan-taona fotsiny. Ahoana no hanohizana ny tolona hahazoana manala an’i Ma­da­gasikara amin’izao geja mahazo azy izao? Tena potika ny firenena, raha fahaleovantena no resahina. Tena mahatsiaro tena ho afaka ve isika amin’izao?

* Mbola fikarohana tokony hatao ve momba ny “Raharaha 29 marsa 47”?
– Misy fikarohana tsy maintsy mbola atao… Mbola adihevitra hatramin’izao, ohatra, ary mitana an’izay ny Otrikafo: tsy ny Malagasy no nanapoaka ny Raharaha 47. Tsy hoe tsy nanomana hetsika izy, fa tsy tamin’iny no niheverana azy. Ny Frantsay no nihantsy tamin’ny fisovohana tao amin’ny MRDM. Nanomana kongresy ny MDRM ny fiandohan’ny avrily 47. Tamin’ny taona 1946 no efa nandefa telegrama ho an’ny govronera jeneraly teto ny minisitra kolonialy, i Marius Moutel, hoe potehina amin’ny fomba rehetra ny MDRM. Misy fikarohana tokony hatao izany.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: