Nilatsaka ny didy tsy azo ivalozana! Nivoaka afakomaly hariva ny fanapahana noraisin’ny HCC momba an-dRazanamahasoa Christine sy Razafimahefa Herimanana.
Nesorina tsy ho solombavambahoaka intsony Razanamahasoa Christine, araka ny didy nivoaka. Nambaran’ireo mpitsara avo fa azo raisina sy mitombina ny fitorian’ny IRD ka ambara ny fanalana azy tsy ho solombavambahoaka intsony. Miverina ho olon-tsotra izany Razanamahasoa Christine manomboka izao.
Tsiahivina fa tokony ho natao ny alakamisy tolakandro, tetsy Ambohidahy, ny fihainoana ny fiarovan-tenan’ity depioten’Ambatofinandrahana ity. Tsy niatrika izany anefa ny tenany fa nametraka taratasy fotsiny mitaky ny hitondran’ny HCC ny raharaha amin’ny ara-dalàna. Niafara amin’izao fivoahan’ny didy izao izany.
Nifanotrona taminy teny an-toerana ny Pr Ranjeva Raymond sy Rabemananjara Charles. Ny depiote isany, Keron Idealson, Rossy, Del kely, Me Hanitra… Teo koa ny mpisolovava, ny Me Rakotomalala Rija avy amin’ny MMM.
Voatendry ho loholona, Rabetsaroana Sylvain
Niatrana nandritra izany ny avy amin’ny Emmo/Reg. Nilaza ny tsy maha ara-dalàna ny dingana avokoa ireo mpahay lalàna sy Razanamahasoa Christine. “Mifanohitra amin’ny lalàna ny fe-potoana nomena ahy ahafahako miaro tena eo anoloan’ny HCC. Manana iray volana izahay hitondra ny fiarovan-tena nefa noterena ho 48 ora fotsiny izany”, hoy izy. Nanteriny fa nampanantsoina avy hatrany ny tenany raha tsy mbola tapitra akory ny 48 ora.
Etsy andaniny, nilatsaka koa ny didin’ny HCC, manala an-dRazafimahefa Herimanana tsy ho loholona intsony. Hisolo ny toerany manomboka izao, Rabetsaroana Sylvain. Efa loholona teo aloha ihany koa ny tenany ary izao niverina etsy Anosikely izao indray.
Synèse R.




