Fikarakarana dosie: namoaka laharana maitso ny Ceni

Namoaka laharana maitso ny eo anivon’ny Ceni manoloana ireo mety ho olan’ny kandidà na koa fangataham-panazavana sy fanontaniana momba ny fikarakarana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina. Anisan’izany ny laharan-telefaonina, 034 30 810 01. Ankoatra izany, afaka manatona ny eny anivon’ny rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny antontan-taratasy (Ovec) eny anivon’ny distrika koa ireo kandidà. No­tsia­hivin’ny Ceni, amin’ny alalan’ny filohany, Andrianarisedo Dama, ny herinandro teo, fa tsy tokony hitanila na hiandany ny eo anivon’ny Ovec, amin’ny fandraisana sy ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ireo kandidà. “Tsy tokony hanilika ny hafa fa manaja hatrany ny soatoavin’ny fanajana lalàna… Tokony hahafehy ny asa rehetra isika mba tsy ho tratry ny fanakianana”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny andraikitry ny Ovec ny manamarina ny antontan-taratasin’ireo kandidà. Miantoka izany ny tsy hisehoan’ny hosoka. Manamarina ny fanekena na tsia ilay dosie ho an’ny mpilatsaka hofidina. Mizara ny vaovao rehetra amin’ny kandidà ary mampita sy manao tatitra koa any amin’ny Ceni foibe.
Tsiahivina fa hifarana ny alatsinainy 8 avrily izao ny fe-potoana fametrahana ny antontan-taratasy eny anivon’ny Ovec ho an’ireo mpilatsaka hofidina ho solombavambahoaka. Mbola manana herinandro latsaka izany ireo kandidà ahafahany mikarakara izany.

Synèse R.

Partager sur: