Mihenjan-droa ny tady, eo amin’ny olom-boafidy iray ao Belo sur Tsiribihina sy ireo mpitandraka vatosoa ao amin’ny fokontany Fenoarivo kaominina Ambalamahatsara, distrikan’Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania.
Nahazoan’ny olon-tsotra miisa telo alalana hiasa, hanara-maso ny faritra ao amin’ny karieram-bato «spodumène sy triphane» araka ny fahazoan-dalana PRE laharana « 3273 » io toerana io. Manana ny tompony ara-dalàna sy ny taratasy fitrandrahana na ilay atao hoe « permis d’exploitation » araka izany izy ireo. Ankehitriny, miseho ny olana, noho ny fanamparam-pahefana ataon’ny olom-boafidy iray. Miditra an-keriny ao amin’ilay kariera izy ary manampatra ny fahefany. Tsy nisy fifampierana tamin’ny tompon-toerana, nitondra fitaovana toy ny “poclain” hanaovany fitrandrahana ao ity olom-boafidy ity. Tsy vitan’io, mitondra mpitandro filaminana hanaovany ramatahora an’ireo olona nahazo alalana amin’ny fitrandrahana koa izy. Voatery najanon’ireo olona ireo ny asa efa nataony. “Fanararaotam-pahefana sy barofo tsotra izao no azo ilazana azy”, hoy ny fanazavan’ireto lasibatra. Niala maina, noho izany, ireo tompon-toerana fa ilay olom-boafidy no mitrandraka anatin’ilay kariera ary mitondra ny vato eto an-dRenivohitra. “Miteraka fatiantoka ho anay mpandraharaha izao fanararaotam-pahefana ataon’ity olom-boafidy ity izao”, araka ny fanamafisan’ireo lasibatra.
Very asa ireo olon-tsotra
Mamelona olona maro amin’ny alalan’io kariera io koa ireo olon-tsotra nahazo alalana saingy very momoka izany amin’izao fotoana. Mandoa ristourne ara-dalàna sy mahatanteraka ny tamberinandraikitra na ny « redevabilité Minière » ary mikasa hanangana tetikasa hitondra fampandrosoana ao amin’io toerana io ireo olon-tsotra ireo. Anatin’ny fanararaotam-pahefana ataon’io olom-boafidy io ny fitondrana vato mihoatra ny tokony ho izy amin’ny lalam-pirenena. “Mihoatra ny 35 taonina ny vato entin’ny kamiao amin’ny RN35 raha toa ka tokony ho 30 taonina eo izany”, hoy ireo lasibatra. Ahin’izy ireo hiteraka fahasimban’io lalam-pirenena io izany. Manao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra ary ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany handray ny andraikitra mahakasika ity tranga ity izy ireo. Marihina fa nahafatesana olona ny fipoahan’ny dinamita tao anatin’ity kariera ity vao herinandro lasa ka natsahatra ny fampiasana izany ao an-toerana amin’izao fotoana.
Tsiferana R.