Nandritra ny sakoroka tamin’ireo dahalo nangalatr’ omby, lavon’ny bala ny iray amin’ny ireo lasibatra tao Andohanantetikala, kaominina Ankaboka, distrikan’i Marovoay ny zoma lasa teo. Nangalatra omby niisa fito tao amin’io fokontany io ireo olon-dratsy,nanapoaka Basy ary nirifatra nandositra niaraka tamin’ireo biby. Naratra mafy vokatr’io ilay tompon’ omby ka noezahin’ny manodidina navotana. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, tsy tana ny ainy. Raikitra ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana telolahy. Tsy lasa alavitra, arak’izany, ireo olon-dratsy fa najanony ireo omby vantany akaiky azy ireo ny mpitandro filaminana. Nirifatra nandositra ireo dahalo ireo taorian’io. Vokany, tafaverina ny omby fito nokasaina angalarina. Mitohy kosa ny fikarohana ataon’ny zandary ireo dahalo.
Tsiferana R.




