Tonga miakatra eto an-dRenivohitra ireo mpaka entana avy any amin’ny faritra sy any ambanivohitra hiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona. Mifanitsa-kitro ny magazay sinoa mpamongady ireo entana fandravahana trano manamarika ny andro Krismasy. Tonga tamin’ity herinandro ity rahateo ireo entana avy any ivelany ary hifanotofana ny fividianana izany.
Tsy hay diavina ny eny Analakely sy eny Behoririka. Hazonoely, jiro mamirapiratra sy karazana kilalaon’ankizy no tena vidian’ny olona. Mivoatra manaraka ny lamaody ny entana avoaka ary hifaninanan’ireo samy mpivarotra ny manome izany ny mpanjifa.
Mpaka maro mbola hivarotra sy haka tombony no tena manjifa sy mahavita manao adisisika eny amin’ireo Sinoa mpamongady. Filaharana be manomboka amin’ny 4 ora maraina miandry ny fivohan’ny tsena. Mbola maika hamidy indray eny an-toeran-kafa izany avy eo.
Ho an’ny karazana hazonoely, manodidina ny 20.000 Ar ireo salantsalany tsotra indrindra. Tafakatra hatramin’ny 800.000 Ar kosa ireo vaventiventy efa voaravaky ny jiro sy misy feonkira fanao ao an-trano.
Manginy fotsiny ireo kipitsopitsony hafa fandravahana ireny hazonoely ireny, izay hanomezana fahafaham-po ny ankizy madinika ankoatra ny kilalao hatolotra amin’ny alin’ny Krismasy.
Tatiana A




