Japon sy ny JOCV : “Aoka tsy hiandry fanampiana lava”

Nanome lesona eo amin’ny fomba fiasa sy fitantanana… Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teto An­tananarivo, ny lanonana roa sosona nankalazana ny faha-20 taonan’ny Fandahara­nasa fandefasana mpilatsaka an-tsitrapo Japoney (JOCV) eto amintsika ary nanamarihana ny andron’ny kolontsaina ja­poney. Nikara­kara izany ny masoivoho japoney misahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (Jica).

Nisolo tena ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fanokafana ny fankalazana ny Prai­minisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nambarany fa manamarika ny nametrahana ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka malagasy sy ny vahoaka japoney ho laharam-pahamehana ny andraikitry ny JOCV.
Anjara toeran’ny tanora…
Nampitondra ny fisaorana ho an’ny praiminisitra sy ny vahoaka japoney manontolo, tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana, ny lehiben’ny go­vernemanta. Nankasitraka ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa 240 nitondra ny fahaiza-manaony teo anivon’ny vahoaka malagasy tamin’ny faritra 12 eto koa ny tenany. “Endriky ny fahatsaran’ny fifandraisana sy fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izany… Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tanora”, hoy izy.
Mazava ny andraikitra sy fomba fiasan’ny JOCV. “Ny fampianarana ny olona tsy hiandry fanampiana lava avy amin’ny hafa. Hitady vahaolana eo amin’ny fiainana, hivoarana eo amin’ny lafiny sosialy, fahasalamana, ary toekarena”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: