Avy niandry faty : lehilahy maty voatsatok’antsy

Namoy ny ainy irery tetsy Andohalo ilay raim-pianakaviana 41 taona voatsindron’antsy, ny zoma alina teo. Avy niandry faty teny Itaosy niaraka tamin’ny fianakaviana izy no nifanehitra tamin’ireo jiolahy. Voaroba ny vola rehetra te­ny aminy sy ny findainy. Mbola tsy namelan’ireo mpanendaka koa ny ainy raha tsy latsaka. “Mamo izy rehefa avy namonjy an’ilay fahoriana teny Itaosy iny. Sempotra anefa izy rehefa teny Andohalo hamonjy ny trano fonenany eny Amparihy La haute ville, ireo namany kosa nanohy ny diany”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tamin’izay indrindra no nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy ity raim-pianakaviana ity. Ny asabotsy maraina teo no hita ny vatany efa tsy nisy aina intsony. “Misy caméra de surveillance tsy lavitra eny. Hita tao avokoa ny endrik’ireo jiolahy nahavanon-doza, nisy feo ihany koa re tao anatin’ilay horonantsary”, hoy hatrany ny fanazavana. Tao­rian’izay, noentina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ilay vatana mangatsiaka. Tonga teny an-toerana ny havany naka izany. Notante­rahina ny alahady teo kosa ny fandevenana azy. Ankoatra ity, vehivavy iray hafa koa no hita faty voatapa-doha afakomaly tao Manja, distrika Moron­dava. Nasitrik’ireo tsy mataho-tody tao ambany hazo ny vata-mangatsiakany ka olona sendra nandalo no nahita izany. Tsy mbola nahazoana tatitra mahakasika ireo tranga roa ireo ny mpitandro filaminana.

Henintsoa Hani

Partager sur: