Nentin’ny hamomoana Rafano ka namoy ny ainy rehefa nitsambikina tao anaty lavadrano teny Ambohidrapeto Itaosy, afakomaly.
Efa mpisotro toaka ikoizana eny amin’ny faritra Ambohidrapeto Rafano, raha ny fanazavan’ny olona eny an-toerana. Toy ny olona adaladala sy tsy tompon’ny tenany izy io rehefa mamo ka izao nitsambikina tao anaty lavadrano izao. Tsy avotra intsony ny ainy na dia navotan’ireo mponina teny amin’ny manodidina aza.
“Nahita lavadrano iray teny Antsahamasina-Ambohidrapeto izy ity teny an-dalana nody ka nilaza ny hitsambikina tao anatin’izany”, hoy ireo nanatri-maso. Heverin’ny olona fa misangisangy izy amin’ny maha mamolava azy ka tsy rototra ny rehetra. Nosokafany avy hatrany ny saron’ilay lavadrano ka nitsambikina tao izy, sady niteny hoe : “veloma ianareo”. Nikoropaka avy hatrany ireo mponina rehefa nandre zavatra nidoboka mafy tao anaty rano. Nifarimbona nanavotra azy tao ireo mponina teny amin’ny manodidina sy ireo nanatri-maso nefa tsy avotra intsony ny ainy. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana avy hatrany ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena, ny dokotera ary ny kaominina eny an-teorana. Natolotra ireo havany ny razana taorian’ny fizahana natao.
Marihina fa efa nototofan’ny tompony ilay lavadrano omaly. Inona ny fepetra horaisin’ny kaominina sy ny fokontany mikasika ny lavadrano amoron-dalana rehetra?
Mino ( Mpianatra Asa)