Vangaindrano : mpangala-gisa niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nitondra gisa tao anaty gony, nifanotofan’ny fokonolona nodarohina ka naratra mafy ny mpangalatra iray tao Karoaka fokontany Manom­bo, tao Vangaindrano, ny zoma lasa teo. Tamin’ny telo ora maraina, raikitra ny fanenjehana ny jiolahy mpamaky trano sy fisoko. Lasa tamin’izany ny gisa telo sy akoho iray. Nafatony tao antin’ilay gony ireto biby . Tsy lasa alavitra, tra-tehaky ny iray tamin’ireo mpanara-dia ity mpangalatra ity. Tsy nisy halaharo, nidaroka sy nikasi-tanana avy hatrany ny fokonolona. Nentin’ny hatezerana, efa nokasain’izy ireo ho vonoina mihitsy ity mpan­gala-gisa ity. Tonga ny mpitandro filaminana ka nitondra azy nihazo ny birao atao fanadihadiana. Marihina fa efa naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy io mpangalatra io. Naverina tamin’ny tompony kosa ireo gisa sy akoho.

Tsiferana R.

Partager sur: