Nanomboka ny herinandro lasa teo ny andrana ny gropy fahefatra G4 any Andekaleka, nampifandraisina amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Taorian’izany, natolotra, omaly, ny fampahafantarana ny fampihodinana ny fitaovana sy ny milina, miainga avy any Andekaleka mankany Ambohimanambola.
Manana tanjaka 30 MW ny gropy G4, izay vao napetraka any Andekaleka. Manana tanjaka 30 MW tsirairay koa ny telo voalohany (3 x 30 MW=90 MW). Ho lasa 120 MW, araka izany, ny any an-toerana, raha ampy tsara ny rano mampihodina ny milina efatra.
Vata mpanova herinaratra (transformateurs) roa lehibe, manana tanjaka 2 x 60 MW no napetraka eny Ambohimanambola, mandray ny herinaratra avy any Andekaleka. Natao izany, hanamafy ihany koa ny «transformateurs» efa tranainy. Hafindra hapetraka any amin’ny toby mpaninjara (sous-station) Tanà-Nord ny sasany amin’izy ireny.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Pagose, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola ny fanavaozana ny vata mpanova herinaratra, toy izao.
Njaka A.