Karazana fihariana: mety sahanin’ny mpianakavy ny fiompiana ombivavy

Fihariana nandresen-dahatra ny olona ireo karazana fiompiana, nentina namoahana vokatra tamin’
ireo mpitsidika teny amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny herinandro lasa teo. Karazany maro
ny seha-pihariana mahakasika ny fiompiana, mety atao amin’ny faritra rehetra.

Teny Mahamasina, ta­min’ny herinandro lasa teo, ny fihariana iray ivondronan’ny mpianakavy misy 22. Iarahan’izy ireo misalahy ny orinasa Laniera, fi­ompiana omby eny Amba­to­lampy Tsimahafotsy, lalana Tsarasaotra Ivato. Misy 60 eo ho eo ireo ombivavy beronono, karazana ombivavy Pie rouge norvegienne no maro an’isa, ombilahy roa ihany.
Mizara telo ny fihariana eny an-toerana : fambolena vilona sakafon’omby ; fikarakarana momba ny fahasalaman’ ireo omby, iaraha-miasa amin’ny veterinera ; ary misahana ny fanaovana yaourt fotsiny.
400 isan’andro ireo karazana yaourt vitan’ny Laniera, saingy tsy ampy ny ronono avadika hamidy, tsy maharaka ny vokatra, tsy mahavita hafa. Eny amin’ny toby Shell, Jovena, Total no mandray ireo vokatra yaourt vita. Misy koa ireo toeram-pivarotana sasany eny Ivato, mandray ny vokatra, Manao karazam-bokatra hafa vita amin’ny ronono koa ny Laniera, saingy miandry fangatahana tonga any aminy.

«Tsy ampy ny vokatra amidy …» 
Nambaran-dRtoa Randrianarinjaka Miosa, anisan’ny mpiompy, fa «tsy ampy ny vokatra ronono havadika hamidy. Tsy ampy mihitsy, tsy maharaka tsy mahavita hafa. Manao vokatra maro hafa ihany izahay vita avy amin’ny ronono, ohatra dibera, saingy mahavoaray fangatahana vao manao izany».

Orinasam-pianakaviana azo iainana tsara ny karazana fiompiana, na misy mpifaninana aza. Nanomboka 2016 no niompy omby ny Laniera, tamin’ny 2020, nanao yaourt sy nanatitra izany teny amin’ireo toby fivarotan-tsolika rehefa nitranga ny valanaretina Covid-19.

Ndrina

Partager sur: