Misy akohokely ahazoana taranaka akoho fakàna nofo sy manatody lava. Ao ny ompiana ahazoana taranaka akoho amidy misy nofo ; fa mpanatody lava kosa hafarana. Izay ny fiompiana sahanin’ny Activo.
Ny amin’ny maha fakàna nofo ny akoho, tsy amidy raha tsy efa tapitra ny vanim-potoana famokarana atody. Tsy amidin’ny Activo ireo karazana akoho ireo raha tsy efa tapitra ny vanim-potoana famokarany atody afaka iray na iray taona mahery, antsoina hoe «réforme» na mihena ny atodiny. Akohokely foy fakàna nofo kosa amidin’ny Activo isan-kerinandro.
Fa ny sakafon’ireo akoho, fiaraha-miasa amin’ny Netronnutrition, izay manome ny fepetra sy toromarika tokony harahin’ny Activo no manafangaro azy. Alaina ny akohokely sy mitsinjara azy eran’Antananarivo hatrany amin’ny faritany. Zanak’ akoho fakàna nofo no tena betsaka ny maka azy. Vao foy iray andro dia efa alaina ny zanany. 3600 izao ireo zanak’akoho ao amin’ny Activo any Arivonimamo.