Eo ireo fianakaviana mivelona amin’ny fiompiana trondro, manao lohamenaka avy amin’ny ravintsara, sy miompy tantely. Ny trondro manomboka ompiana ny zanany ao anaty tavoahangy, hatramin’ny maha lehibe azy apetraka ao anaty dobo, hiantohana sakafo provandy. 200 na 300 gr ny iray rehefa feno enim-bolana. Mety efatra ny isan’ny iray kilao raha tilapia, manodidina 20000 Ar na 22000 Ar ny kilao.
Isan’andro ny varotra tilapia hita eny Andravoahangy, ohatra. Azo lazaina fa efa betsaka ny mpiompy trondro eto amin’ny faritra Analamanga, Misy maromaro ireo dobo fiompiana eny Ivato fa eo koa ny any ambanivohitra sasany, toy ny any Manjakandriana. Na izany aza, manantombo koa ny isan’ny mpanjifa.
«Ravintsara, betsaka ny masonkarena amin’ny fianarana azy sy fakàna lohamenaka avy aminy, 10 cc vidiana 5000 Ar ; manahirana koa ny mivarotra tantely, 350 gr amidy 7000 Ar. Noho ny vidim-piainana, tsy maintsy alefa ihany ireo na masonkarena aza», hoy Atoa Doda, mpiompy avy any Manjakandriana, anisan’ny nanao fampisehoana teo Mahamasina.