Azo lazaina fa vitsy ny mpiompy bitro nefa haingam-pitombo. Izay ny mahatonga ny fitenenana hoe “manao tera-bitro”, sady maro no tsy misy fotoanany. Bitro lahy vao fito volana, efa lehibe. Vilona maina, provandy, na legioma ny sakafony. Ny bitro tsy mba misyvanim-potoana mety mahateraka azy, enina ny isan’ny zanany raha kely, misy mahatratra 12. Raha teraka anio, afaka manaraka androany ihany. Na bevohoka aza ka hampanarahina, mety hatrany ny fiompiana bitro.
Vidiny 17 000 Ar henam-bitro ny kilao, matetika izy iray manontolo no lanjaina.
Raha velona indray, lafo lavitra, ny zanany 150 000 Ar ; raha lehibe afaka miteraka, lafo noho izany, araka ny karazany. Maharitra 10 taona ny fahavelomany.