Misedra olana amin’ny tsy fahampian’ny ra ny ankamaroan’ireo hopitaly eto amintsika. Anisan’izany ny etsy amin’ ny HJRA Ampefiloha. Miara-miasa amin’ny eo anivon’ny FVKFM izy ireo amin’izany, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny fiangonana, i Tovo. “Efa an-taona maro ny fanampianay ny hopitaly ka nanaovana fanentanana ny mpino hanome ra, noho ny tsy fahampian’izany eo anivon’ny HJRA… Hamonjena aina ireo marary izany”, hoy izy. Nanteriny fa manao hetsika tahaka izao indroa isan-taona izy ireo ary misahana izany ny Vondrona ho an’ny hopitaly eo anivon’ny FVKFM. Maherin’ ny 400 ireo mpino nanome ra an-tsitrapo, ny asabotsy teo, teny Anosivavaka.
Tsy vitan’izany fa mamangy sy manohana eo amin’ny fanafody ireo marary sahirana ary mitondra am-bavaka azy ireo isaky ny alarobia sy zoma ny mpitantana ny fiangonana. Tahaka izany koa ny fanomezana fanafody.
Tsiahivina fa manana sampana sosialy samihafa ny FVKFM. Anisan’izany ny misahana ny voafonja, ny miahy ireo zokiolona, ny misahana ny tanora. Eo koa ireo miandraikitra ireo sahirana: mpatory an-dalana… Manampy ireo sahirana eo anivon’ ny fokontany misy azy ireo koa ny fiangonana, rehefa 26 jona na Noely sy taom-baovao.
Synèse R.