Tratra tao an-trano fonenany ny lehilahy iray tompon’ antoka tamin’ny halatra omby, tao Ambohinonoka, fokontany Soamonina, kaominina Ankadinandriana, ny 18 avrily teo. Nahatraran’ny mpitandro filaminana nofon-kenan’omby roa gony nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka, tao Ankadimbazimba, kaominina Alarobia Ambatomanga, ny herinandro lasa teo. Nisy nangalatra ny ombin-tsarety ka taolany sisa navelan’ireo olon-dratsy. Tratra niaraka tamin’ireo entana tao anaty taksibrosy ireo ny lehilahy iray ka natao famotorana. Nanaovan’ny zandary rotsak’alina ireo mpiray ombon’antoka tamin’io voasambotra io. Vokany, niampy efa-dahy ireo notanana hatao famotorana. Nahatrarana moara tao an-tranon’ny iray tamin’izy ireo.
Tsiferana R.