Matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatotsipihina, afakomaly. Nahazo fampitam-baovao ny zandary niasa tao an-toerana momba ny fisian’ity jiolahy ity izay hita mihaodihaody ao an-tsena. Efa-dahy ry zalahy no mpiara-manao asa ratsy saingy tafatsoaka ka nenjehin’ny fokonolona. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary fa nisy fifanjevoana tao an-tsena. Olona maromaro no voalaza fa voaendaka sy voaharom-paosy. Tokony ho 5 hetsy Ar ny vola lasan’ireo mpangalatra ka nirifatra nitsoaka izy ireo. Tratran’ny fokonolona anefa ny iray ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany.
Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatotsipihina. Naratra mafy ilay jiolahy niharan’ny vono sy daroka nataon’ny fokonolona tao an-tsena tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Nentina nihazo ny CSB 2 izy saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Tao anatin’ny famotorana nataon’ny zandary no nahafantarana fa avy any Ambohimandroso ity jiolahy namoy ny ainy ity. Velon-taraina hatrany ireo mpiantsena amin’ny afitsoky ny mpangarom-paosy sy mpanendaka ao amin’io tsena io. Nentin-katezerana ny olona ka nitondra faisana izay tratran’izy ireo.
J.C