Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona dimy indray tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, lalam-pirenena voalohany (RN1), omaly tolakandro. Fiara Sprinter iray nitondra mpianatra nitsangantsangana tany Ampefy ity tra-doza tampoka ity…
Tebiteby, ranomaso…izany no niainan’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra niharam-boina vokatry ny lozam-piarakodia tao Ambatofolaka, fokontany Antsahalava, kaominina Soamahamanina, omaly tolakandro tamin’ ny 3 ora. Mpianatra ao amin’ny Epp Ankaditany niaraka tamin’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra no nandeha nanao fivoahana nitsangantsangana tany Ampefy, kanjo izao tra-doza tampoka izao. Vokany, olona telo namoy ny ainy (ankizikely mpianatra iray raha olon-dehibe kosa ny roa), raha 16 kosa ireo naratra mafy (ahitana olon-dehibe sy mpianatra). Nivadibadika tany anaty hantsana ny fiara. Efa an-dalana hiverina hiakatra aty an-dRenivohitra no nitranga ny loza vokatry ny tandrevaka nataon’ny mpamily. Araka ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritra Miarinarivo, nifanenjika tamina fiara Starex iray teo alohany ity fiara Sprinter nitondra mpianatra ity kanjo tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily.
Tazonina hanaovana famotorana ny mpamily…
« Teo amin’ny toerana iray mampidi-doza tsy ahafahana misongona no nitranga ny loza ka nivadibadika tany anaty hantsana amin’ny ilany havia ny fiara », hoy ny fanazavany. Tany amin’ny 50 metatra kosa vao tafajanona ilay fiara Starex. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary niaraka tamin’ny dokotera nanao fizahana sy namoaka ireo mpandeha niharam-boina. Nentina namonjy hopitaly ao Miarinarivo avy hatrany ireo naratra. Potipotika kosa ilay fiara namoa-doza. Tazonina hanaovana fanadihadiana ao amin’ny zandary ny mpamilin’ilay Spriter sy ny Starex nahatonga izao lozam-piarakodia nahafaty olona izao. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.
Jean Claude