Mitohy ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Naterin’ny olon-tsotra teny amin’ny kaompania Ikalamavony, ny Basy roa efa tsy manan-tompo, ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanentanana ireo olona minia mitam-piadiana tsy manara-dalàna ny mpitandro ny filaminana. Efa tsy misy velona intsony ny tompon’ireto basy ireto araky ny taratasy misoratra aminy. Tapa-kevitra hamerina ireto basy simplex Cal 16 sy Cal 12 ireto teny anivon’ny mpitandro filaminana arak’izany ireo nihazona azy farany izay tsy manana alalana. Noraisain’ny zandary tsy nampiana arakaraka izany. Mampirisika hatrany ireo mbola mihazona basy tsy ara-dalàna hanatitra izany eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny zandary.
Tsiferana R.