Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana hatry ny ela, voasambotra tao Mahajanga, afakomaly, i Lemizana na Rabevolamena. Dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Atidoha nikotrika tamin’ ny famoizan’aina olona miisa 38 sy fandorana tanàna tao Anosikely izy, ny taona 2022. Namono nahafaty zandary iray am-perinasa tany Ambatomanga, fokontany Maromandia, kaominina Antakavana.
Mpiray tsikombakomba taminy ny rahalahiny izay nipetraka tao Ambatoboeny. Namoy ny ainy nandritra ny fisamborana azy tany Ambatomainty, fokontany Maromandia, kaominina Antakavana, io mpiray tampo amin’i Lemizana io. Nanohy ny hazalambo hanatrarana an’io atidohan’ny fakana an-keriny io ny mpitandro filaminana.
Vokany, tratran’ny zandary nandritra ny vela-pandrika natao azy izy. Nanamafy ny ben’ny tanàna an’Ambolotarakely sy ny zandary miasa ao an-toerana fa i Lemizana tokoa ilay voasambotra. Etsy ankilany, nilaza ho tsy maharaka ny raharaha, ny kaomandin’ny kaompania eo anivon’ ny zandarimaria ao Mahajanga, raha nantsoina an-telefaonina, omaly.
Marihina fa anisan’ny mbola karohina koa i Radobe, izay voalaza fa misy olona ambony anatin’ny mpitandro filaminana manafina azy aty an-drenivohitra
Tsiferana R.