“Na eo aza ny fahasahiranantsika vahoaka, haintsika ny mifidy depiote izay tena hikarakara antsika marina”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena teo aloha, 2002-2009, Ramampy Zénaïde, momba ny fifidianana depiote izay efa misy fizarana fanomezana amin’izao. Izay heno amin’ny haino aman-jery: toy ny vazaha mody miady fotsiny izy ireo, fa toy ny misy ifandraisan’izy ireo ihany any ho any. Mila sokafana tsara ny sofina ary ahiratra tsara ny maso. Rehefa handatsa-bato: iza no akaiky kokoa amin’ireo kandidà na avy amin’ny fitondram-panjakana izany, na ireo ety ivelan’ ny fanjakana toy ny mahaleo tena na ny mpanohitra? Fantatra ny nataon’ny depiote teo taloha: izay fandaharanasa notakina taminy no notanterahina sa ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika? Misy, ohatra, amin’ireo ben’ny Tanàna, nisy tena nanana fandaharanasa teo amin’ny fotoana nirotsahany ho ben’ny Tanàna. Nefa tsy nisy tanteraka izany fa ny zava-bita notokanana dia tetikasan’ny filohan’ny Repoblika avokoa.
R. Nd.




