Naiditra am-ponja afakomaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ireo dimy mianadahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne). Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, ny 9 desambra 2022, izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, tratra teny Ankasina 67 ha ny telo. Tsikaritr’ireo polisy misahana iny faritra iny ny fisian’olona mifamezivezy mivoaka sy miditra ao amina tokantrano iray voalaza fa mpivarotra zava-mahadomelina. Niroso tamin’ny fitsirihana avy hatrany ka voamarina ny fisian’ireo olona mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Nohamafisin’ ny polisy fa sady mifoka héroïne no mivarotra efa nandritra ny enim-bolana ny iray amin’ireo vehivavy tratra ireo. Manampy ilay tompony mivarotra kosa ny roa ambiny. Mbola nahitana héroïne 22 fonosana tany amin’izy telo vavy nandritra ny fisamborana nataon’ny polisy. Tratra teny IVO Antohomadinika ny vehivavy roa hafa, tamin’io fotoana io ihany. Ny iray mpivarotra raha mpitsindrona kosa ny iray hafa. Misy mamatsy héroïne any amin’iny faritra iny izy ireo. Niroso tamin’ny fikarohana ny polisy ka tratra ireo mpamatsy niaraka tamin’ ny héroïne valo fonosana. Tsy vitan’izay fa hita ihany koa ny mizana fandanjana azy.
J.C