Nanao fanambarana ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena miisa telo, ahitana ny Hafari, ny Vam ary ny “Force feminine d’aide mutuelle”, omaly. “Miantso fitoniana sy fandraisana andraikitra izahay ary firaisankina fa maro ireo mpikaramanady sy jiolahy politika, manana tombony amin’ny korontana”, hoy izy ireo. Maro koa ireo manararaotra ho amin’ny tombontsoa manokana ka hiteraka fahantrana ho an’ny vahoaka sy ny firenena, araka ny fanambarana hatrany. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny andraikitry ny mpitondra. Eo ny fotodrafitrasa hampandrosoana ny fiainan’ny olona.
Ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy ny fiantohana ny fandriampahalemana. Eo koa ny fanamorana ny fiharian-karena amin’ny famoronana asa, tsena, lalam-barotra sy lalam-bola..
Nanterin’izy ireo fa tokony handinika mba ho tombontsoa ambony ho an’ny firenena izany. “Efa manao ny ezaka rehetra ny filoha… Tsy hahavita fahagagana nandritra ny 60 taona na iza na iza mpitondra”, hoy izy ireo.
Nanterin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto fa tsy ampy firaisankina isika ary mizarazara ny vahoaka ka latsaka an-katerena.
Synèse R.