“Efa mikorontana ny sain’ ny olona amin’ny fivelomana sy ny eny anivon’ny fiarahamonina. Miantefa hatrany amin’ny fiainam-bahoaka tsirairay ny fametrahana korontana na savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny mpandinika fiarahamoanina, Ramamimampionona Gérard.
Miantso ny rehetra samy handray ny anjara andraikitra manandrify azy avy izy, ary mba amim-pahamarinana mifanaraka tsara amin’ny foto-pisainana sy soatoavina malagasy izay atao. Eo ny soa sy ny fototra iombonana amin’izany. Misy zavatra maromaro tsara jerena: fanavaozana sa fanitsiana sa fanaovana lalàna vaovao mba hisian’ny firindrana eo amin’ny fitantana eto amin’ny firenena. Ahoana, ny fandraisana mpianatra ho mpampianatra? Ahoana izy ireo rehefa avy eo ary iza no tena tomponandraikitra amin’ izany? Mba tsy hoe isaky ny hivoaka ny mpianatra dia hisavorovoro, hifanilihana ny andraikitra ka tsy misy firindrana.
“Mba hijerena lavitra ny lalàna hisian’ny filaminana, misy firindrana mitohy eto amin’ny firenena”, hoy izy.
R. Nd.