Fiatrehana ny fifidianana: niantso fahamailoana ny filoha nasionalin’ny Tim

Nanamarika ny faha-20 taonany nijoroany ny Tim teto amin’ny faritra Matsitra Am­bony ny faran’ny herinandro teo. Nanatanterahana ny kongresim-paritra koa izany. Ni­atrika izany tany an-toerana ny filoha nasionaly sady mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc.

“Tsapako ny fahoriana sy fahantrana mahazo ny vahoaka. Henoko avokoa ny fita­rainanareo eto Fianarantsoa, manoloana ny olana sosialy samihafa… Tsy maintsy ho avy ny fifidianana, ka mila miray hina, ary mila mailo isika amin’ny fanaraha-maso rehetra”, hoy izy. Nanteriny fa nosafidiny manokana ny any an-toerana hankalazany ny tsingerintaona nahaterahany.

Nankasitraka ny hetsika sy ny fifaliana nentin’ireo mpomba azy ny filoha teo aloha. “Mahatsiaro ireo olona tena sahirana aho. Tena faly izahay mizara ny tandrify ahy ho an’ireo sahirana eto Fia­narantsoa, ho fisaorako an’ Andriamanitra amin’ireo fa­hasoavana, nomeny ahy”, hoy izy.
Nialoha izany, niatrika ny fanompoam-pivavahana fandraisan-tanana ny prezida Synaodaly vaovao, Jeremia Jean Louis, mpitandrina mianakavy ny tenany. Tao amin’ ny FJKM Fehizoro Mampiray Fianarantsoa no nanatontosana izany.

Synèse R.

Partager sur: