“Nifampiresahana tamin’ ny depiote fa raha esorina ny Praiminisitra; avy eo, hanolotra Praiminisitra vaovao, handrafitra governemanta vaovao. Nefa ny fifidianana amin’ ny herintaona. Lasa lany andro amin’izany ny firenena”, hoy ny sekretera nasionalin’ ny TGV, Rasoamaromaka Hery, manoloana ny fitsipaham-pitokisana nandamoka.
Tsy maintsy ifandeferana izany. Jerena ny tombontsoan’ ny Malagasy : inona no hotantaraina amin’ny 2023 amin’ny asa vitan’ny fanjakana?
“Tanjona ny tsy hiverenan’ ireny intsony. Tokony hifampihaino”, hoy izy. Nisy depiote IRD nafana fo nanohana ny raharaha. Rehefa nifampiresahana fa mety tsy ifankahazoana, ny Praiminisitra, ary tsy misy tsara ny fifandraisana: misy fiantraikany any amin’ ny filoha izay.
Tsy fanapahan-kevitry ny filohan’ny Antenimiera ireny. Ny depiote no misy tiany horesahina amin’ny mpanatanteraka tokony hojerena. Misy minisitra na ny Praiminisitra aza, tsy misy loatra eo amin’ ny fifandraisana fa mety samy variana amin’ny asany.
Fampieritreretena iny, na ho an’ny depiote na ny mpanatanteraka. Tokony hifampiresaka.
R. Nd.