Nihaona teny Ambatomirahavavy ireo avy amin’ny Fikambanana ifanampian’ny terak’i Vakinankaratra (Fiteva), ny asabotsy teo. Niraisan’ny rehetra tamin’izany fa misedra olana ny any amin’ ity faritra ity. “Tsy afahany mivoatra sy mandroso izany. Eo ny olan’ny fambolena sy ny fiompiana, velontenan’ny mponina”, hoy ny depioten’ Ambatolampy, Ramims. Nanteriny fa mila fanohanana manokana ireo sehatra ireo, ankoatra ny hijerena ny sosialim-bahoaka sy ny tanora, maro anisa any Vakinankaratra. Voatsiahy tamin’izany fa maro ireo nahavita fianarana nefa tsy mbola manana asa. Tokony hatao vaindohan-draharaha izany nefa ilaina ny fifanomezan-tanana, araka ny nambarany.
Nanome toky ny hitondra ny anjara birikiny koa ny minisitry ny Angovo, Ramaroson Andry. Tsy amin’ny maha minisitra azy anefa izany. “Adidy amin’ny maha zanak’i Vakinankaratra izany manoloana ny olana sy ny sakana amin’ny fampandrosoana ny faritra”, hoy izy.
Tsiahivina fa maherin’ny 1500 ireo namaly ny antso tamin’izao fihaonambe izao.
Synèse R.