Hetsika Tselatra: tratran’ny miaramila i Tongany sy i Takoany

Noraisim-potsiny! Taorian’ny didy fampisamborana navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mam­pikony, tratran’ny miaramila i Tongany sy i Takoany, dahalo roa lahy samy raindahiny amin’ny fanafihana. Miaramila ao amin’ny sakelika voalohany, anatin’ny vondrona mpam­pandry tany iraisam-piadiana faharoa, manao ny hetsika « Tselatra », tao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina ambanivohitr’i Malakialina, fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika no nahasambotra azy ireo, afakomaly. I Tongany, ilay dahalo gagilahy nanao ny fanafihana mitam-piadiana nandroba tranombarotra iray ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Betaramahamay, ny volana febroary lasa teo. Teo koa ny fanafihana ny ben’ny Tanàna ao amin’izany kaominina izany ka nahafatesana ny lehiben’ny fokontany iray ao an-toerana. Izy koa no tompon’antoka tamina halatra omby miisa 30 tao amin’io kaominina io ihany. I Takoany kosa no voalazan’ity namany fa atidoha niketrika ireo asa ratsy rehetra ireo. Fiaraha-miasa teo amin’ny Tafika Malagasy sy ny fokonolona ao an-toerana no nahafahana nisambotra azy roa lahy ireto. Mitohy ny hazalambo ataon’ireo miaramila mpampandry tany ny naman’ireto malaso ireto.

J.C

Partager sur: