Hiditra amin’ny andiany faharoa ilay hetsika « Folle semaine de Noël », karakarain’ny Institut Franco-Malagasy sy ny Fondation Akbaraly. Nampahafantatra ny hetsika izy ireo, omaly, tetsy amin’ny IFM Analakely. Fantatra nandritra izany fa seho roa no hatao amin’ity, samy ao amin’ny IFM Analakely avokoa. Ny voalohany ny zoma 16 desambra izao, manomboka amin’ny 7 ora alina. Fampisehoana mozika klasika manodidina ny Noely, izay hizara telo izany. Ny “Concerto pour clarinette en A dur” an’i Mozart, holalaovin’i Florent Heau, mpanakanto frantsay mpiangaly ny zavamaneno tsofina. Ny “concerto pour violencelle n°1 en C dur” an’i Haydn izay haverin’i Samuel Etienne, mpiangaly ny violencelle. Ny farany kosa dia ny « Fantaisie Carmen » an’i Pablo Sarasate izay haverin’ilay mpitendry violon Nicolas Dautricourt.
Hatao ny asabotsy 17 desambra kosa ny seho faharoa, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiara-dalana ny mozika klasika sy ny jazz amin’izay, satria mbola handray anjara amin’ny tapany voalohany ireo mpanakanto vahiny ireo. Anjaran’i Fanja Andriamanantena, arahin’izy telo lahy mandrafitra ny Weaver Trio kosa ny tapany faharoa. Hamarana ny seho ireo hira Noely malaza maneran-tany, hataon’ny Madagascar Orchestra.
Zo ny Aina