Mampiavaka ny firenena iray ny kolontsaina ananany. Maro ny firenena manary ny kolotsainy sy ny hasiny manoloana ny fanatontoloana. Maro koa anefa ny firenena mandroso miaraka amin’ny fanajana ny kolontsainy.
Ao anatin’ny famerenan-kasina sy fampianarana ny fomba amam-panao sy soatoavina malagasy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Misy ny fampianarana sy fampahafantarana ny vakoka sy ny kolontsaina malagasy, isaky ny asabotsy amin’ny 10 ora maraina, eny Ambohitrimanjaka. Mitarika izany i Lovatiana Harinaivo, mpitahiry ny hasim-piandrianan’ i Madagasikara, sady mpampianatra kolontsaina. Tanjona ny fampahafantarana ny kolontsaina sy vakoka malagasy amin’ny taranaka aty aoriana. Eo ihany koa ny famerenana ny hasim-piandrianan’i Madagasikara.
“Drafitrasa sy tetikasa efa ela ity famerenan-kasina an’i Madagasikara ity. Ny fanatontosana azy no mandeha tsikelikely”, hoy i Lovatiana Harinaivo. Efa nisy ny hetsika natao teny amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy teny amin’ny oniversite tsy miankina iray nialohan’izao. Tao anatin’izany no nampahafantarana ny mahakasika ny kolontsaina malagasy sy ny vakoka nentim-paharazana. Maro ny olona liana tamin’izany “Mahavelom-panantenana ny mahita ny Malagasy miverin-doha amin’ny kolontsainy sy ny mahita ny tanora liana amin’ny lova navelan’ny razany,” hoy ity mpitahiry ny vakoka sy hasim-piandrianan’i Madagasikara ity. Hiitatra any amin’ny faritra ny fampahafantarana kolontsaina sy ny vakoka nentin-drazana fa fanombohana ihany ny eto Imerina. Eo ihany koa ny fampahafantarana ny fomba sy ny kolontsaina any amin’ny faritra ho an’ny Malagasy rehetra.
Entanina, araka izany, ny Malagasy hamantatra sy hanaja izany kolontsaina sy vakoka ary hasim-piandrianan’i Madagasikara izany.
Lin (Mpianatra asa)