Fiarovana ny tontolo iainana : hamoaka mpikabary ny Club Vintsy Famelona

Mihasimba ny tontolo iainana. Mila sahy sy mahay mandaha-teny ary maharesy lahatra ny fanarenana sy fiarovana ireo sisa tsy rava. Mila asandratra sy omen-danja sy hasina ny kolontsaina malagasy. Ireo mitambatra no anisan’ny nanosika ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo hivoy sy hanentana ny olon-drehetra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny kolontsaina sy za­vakanto. Rehefa nianatra tao anatin’ny 7 volana, ha­voaka amin’ny asabotsy 17 desambra izao, ao amin’ny Grand Amphi. Degs, eny amin’ny oniversiten’Anta­na­narivo izy 16 mianadahy niofana ho mpikabary teo anivon’ny Club Vintsy Fa­melona. No­marihin’ny tompon’andraikitra fa : « nomena ny fototry ny kabary izy ireo. Nohate­venina tamin’ny kabary ankaratsiana sy ankasoavana izany. Anisan’ ireny ny kabary am-panambadiana ».
Hanana endrika miavaka ity famoahana mpikabary ity satria, amin’ny alalan’ny fa­haiza-mandaha-teny no ha­melomana eny an-tsehatra
ny tantara, antsa tononkalo, slam, sns, hirakitra hafatra ho an’ny mpanatrika. An­koatra ny tontolo iainana, ha­nana ny toerany ihany koa ny tontolon’ny fitiavan’olon-droa lahy sy vavy. Ahoana ny fomba fisehon’ny fitiavana miainga hatrany amin’ny fisariana zoro ka hatrany amin’ny fifanekena ny hiara-dalana?
Marihina fa ankoatra ny hakanton’ny teny malagasy, hanaraka ny Club Vintsy Famelona amin’ny feom-baliha mahasarika ry zareo avy ao amin’ny foibe fikarohana sy fampianarana mom­ba ny zavamaneno, Valiha Académie.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: