Kolontsaina sy soatoavina iray be mpankafy sy be mpitia eto amin’ny firenena sy maneran-tany ny tontolon’ny dihy. Tanora sy ny ankizy no tena liana sy mandranto fahalalana mahakasika izany, amin’ny ankapobeny.
Lasa mirona any amin’ny kolontsaina vahiny ny ankamaroan’ny tanora malagasy amin’izao fotoana, indrindra eo amin’ny tontolon’ ny dihy. Zary hadino sy very laza, noho izany, ny dihy malagasy, raha ny zavatra tsapa. « Mavesatra amin’ny mpikarakara lanonana ny maka mpanao vakodrazana amin’ny vola 4 hetsy Ariary satria tsy mahafoy vola betsaka ho an’ny tarika malagasy ny ankamaroany”, hoy Rakotondrazaka Sylvie, mpandihy sady zanaky Ra-Jean Knack. Tsy mananosarotra ary tsy manahirana azy ireny kosa nefa ny maka mpanakanto tsotra amin’ny vola manodidina ny 4 tapitrisa Ar, raha ny fanazavana voaray hatrany. Miezaka ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny vakodrazana midina sy mampianatra ny ankizy eny anivon’ny sekoly sy eny anivon’ny fokontany. Mba hahafana mampita amin’izy ireo ny tontolon’ny dihy sy ny fomba fitafy ary ny taovolo, hameloma-maso ny dihy malagasy eto amin’ny firenena. Mora kokoa ny mampita fahalalana amin’ny ankizy satria mora mahatadidy izy ireny. Vokany, mahavelombolo satria efa mihamaro ny olona tia sy mankafy io dihy iray io, ankehitriny, raha ny fanazavana. Efa maro ny olon-tsotra, mpikarakara lanonana, mpitondra fanjakana…maka ny mpanao vakodrazana hanafana lanonana. Efa alain’ny vazaha tahaka ihany koa ny dihy malagasy, toy ny tsapiky, kawitry, ….
Raha ho an’ny dihy vakodrazana manokana, tsy dihy fehy dihy fotsiny fa tena mampita hafatra ho an’ny mpijery izany. Tsy amin’ny alalan’ny dihy ihany fa haseho amin’ny fitafy sy ny taovolo, arakaraka ny fomba amam-panaon’ny isam-paritra, izany. Misy dikany avokoa ny fihetsika sy ny fitaovana entina rehetra, toy ny sahafa, ny satroka…raha ny fanazavana hatrany. Tanjona ny hameloma-maso ny dihy malagasy sy ny kolontsaina ary ny soatoavina eto amin’ny firenena . Manaraka toetrandro ihany koa ny dihy vakodrazana. Efa manomboka miditra eo anivon’ny sehatra niomerika ihany koa izy ireo. Eo koa ny fitondrana ny sanganasa any amin’ny Omda mba ho masi-mandidy amin’ ny zavatra novokariny ny mpanakanto.
Fitaizana sy fampianarana ny dihy
Ahazoana tombontsoa maro ny fanaovana sy fiseharana eo amin’ny tontolon’ny dihy. “Miteraka asa ho an’ny tanora ny dihy sady mety hahavelona raha toa ka atao tsara sy trandrahina ary ampidirina ao anatin’ny tetikasa”, hoy ireo mpandihy nanontaniana. Nilaza izy ireo fa mamorona asa izy io satria lasa mitombo ny mpamokatra rehefa mahay sy tia mikaroka. Mila ezaka be sady fiovan-tsaina sy fiovana eo amin’ny fomba aman-panao anefa ny fidirana eo amin’ny tontolon’ny dihy. “Manana ny lanjany lehibe eto Madagasikara ny dihy satria fitaizana ny tanora sy ny ankizy izy io, voalohany indrindra”, hoy ny mpandihy sady mpampiofana iray nanontaniana, McDidi Man. “Fianarana ihany koa izy io satria tsy ampianarina mandihy fotsiny ny ankizy fa ampianarina hanara-dalàna, hahay hankantoa, hahay hifehy tena ary hahay hametraka tanjona eo amin’ny fiainana”, hoy hatrany izy. “Fanehoana hakingana sy talenta ary fampitan-kafatra tena mafonja sy mahomby eo amin’ny olona iray ihany koa ny dihy”, hoy kosa ny Filoha mpitantana ny vovonana mpanao vakodrazana Malagasy, ny Dr Razafindramora Celestine. Ankoatra izay, fitaizam-batana toy ny karazana fanatanjahantena maro rehetra koa ny dihy. Mitaiza sy manefy ny saina, manamafy ary manatsara ny fitadidiana. Anisan’ny mampiala voly sy manala rarintsaina ary manala henatra ny ankamaroan’ny tanora ihany koa izy io.
Tsy maintsy ampiana fianarana ny talenta
Nisehatra teo amin’ny fanaovana dihy vakodrazana nandritra ny 62 taona ny Dr Razafindramora Celestine. «Talenta voajanahary efa tao anaty ny fitiavako ny dihy malagasy ka antony nilofosako tamin’ny fanaovana izany », hoy izy nitantara. Mirotsaka an-tsehatra sy miara-mandihy amin’ny ankizy foana rehefa fotoanan’ny fetin-tsekoly tamin’ny mbola kely. Niditra tamin’ny tarika mpanao vakodrazana tany Miarinarivo rehefa niha lehibe. «Tsy ampy fotsiny ny talenta fa tsy maintsy trandrahina sy ampitomboina amin’ny karazam-pahalalana maro samihafa », hoy hatrany izy. Nanomboka niofana mahakasika ny dihy izy tamin’ny 1962. Nanampy betsaka azy tamin’izany Rasamy gitara sy Ravolana Fenomanana ary Randrianasolo Raymond. Nandray anjara lehibe tamin’ny Foire internationale de Tamatave, ny taona 1963. Niditra tao amin’ny tropy Odiam Rakoto, toeram-pianarana momba ny dihy izy taty aoriana. Nianatra ho mpitsabo teto an-toerana sy tany ivelan’i Madagasikara ihany koa izy. Mbola nianatra manokana momba ny sora-dihy mahakasika ny vakodrazana malagasy ihany koa izy tany ivelany. Mampita izany eto amin’ny firenena izy ankehitriny ao anatin’ny vovonana mpanao vakodrazana malagasy. Tanjona ny hisarihana ny ankizy sy ny tanora hitia sy hitrandraka ny dihy vakodrazana, mba hahafahana manondrotra ny kolontsaina sy soatoavina eto Madagasikara.
Nanatontosa : Mino