CUA-OIF : ankizy 12 000 hisitraka kopia

Hamatsy vola ny fanomezana kopia faobe ho an’ny ankizy 12 000 ato anatin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra ny OIF. Taorian’ny fandalovan’ny sekretera jeneralin’ny OIF teto Antananarivo, telo volana lasa ka nanatrehany ny fizarana kopia ho an’ny kilonga, nanambara izy fa tokony hotohizana ny ezaka vita ka nitarika izao fanaovan-tsonia fanatanterahana izany. Mbola maro ny asa ialohavan’ny fizarana ny kopia ary miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana, ny kaominina izy ireo satria samy voakasika avokoa. “Haharitra enim-bolana ny tetikasa satria mbola maro ny ankizy tsy mbola manana kopia nefa ilaina amin’ny fianarana sy ny fiainana iray manontolo”, hoy ny talen’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly, Ramilijaona Andry, omaly, teny Analakely.
Nanatanteraka ny sonia, omaly, teny amin’ny lapan’ny Tanàna, ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ny tomponandraikitry ny OIF eto amintsika ho tombontsoan’ny zaza malagasy. Efa nizara kopia faobe 3 500 maimaim-poana ny kaominina ary fanohizana ny asa izao atao izao.

Vonjy A.

Partager sur: