Nifanenjehan’ny andrimasom-pokonolona, mpangalatra moto roa lahy tra-tehaka teny amin’ny fokontany Andranoro, kaominina Ambohibao Antehiroka, ny alakamisy 02 mey teo, tamin’ny 2 ora maraina. Nanosika moto anaty haizina ireo roa lahy ireo. Nentin’ny fokonolona teny amin’ny zandary izy roa lahy. Niahankahana anefa ireto farany rehefa nametrahan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana. “Nilaza ho avy nisotrosotro izy ireo ka very ny fanalahidin’ny moto”, hoy ny zandary ao Ambohibao. Niroso tamin’ny famotorana lalina ny zandary ka nitoroka ny namany roa lahy hafa ireo voasambotra. Nangalarin’izy ireo tokoa ilay moto fa tsy azy velively. Noraisim-potsiny taorian’ny vela-pandrika ireo roa lahy namany. Natolotra ny fampanoavana izy efa-dahy ka nohazonina eny Antanimora.
Tsiferana R.