Voalaza fa voarara ny fanondranana volamena mankany ivelany, nanomboka ny oktobra 2020. Araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty anefa, misy ny tarehimarika voarain’ny sampana fadintseranana fa naondrana any ivelany, ary misy koa etsy andaniny ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021.
Nanao tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty, omaly, ho an’ny taona 2018 – 2021. Mikasika ny sehatry ny volamena, nilaza ny filohany, Rakotondramihamina Jean De Dieu, fa malaza tsy ihinanana toy ny vilian-tsahona ny volamena eto amintsika. Misy ny elanelana eo amin’ny lanja lazaina eny anivon’ny fadintseranana sy ny voarain’ny sehatra iraisam-pirenena. Manodidina ny 780 miliara Ar ny vola vahiny tokony hiditra amin’i Madagasikara. « Tsy ao anatin’izany ny vola tokony hiditra sy ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina », hoy ihany izy.
Manoloana ireo, milaza ny Fitsarana momba ny kaonty, fa « tsy mionona amin’ny fanaovana tatitra izy ireo, fa miezaka manampy ny fanjakana, hametrahana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny volamena. Nilaza ny filohany, fa efa hita ny ezaky ny fanjakana, mitady ny lalana hifehezana ity sehatra ity. Hivoaka tsy ho ela ny rafitry ny volamena (régime de l’or) ».
Nohitsin’ny filoha Rakotondramihamina Jean de Dieu, fa tsy nahomby ny politika nitantanana ny sehatry ny volamena teto Madagasikara, natao nanomboka ny taona 2015. Natao tany ambany latabatra fotsiny izany. Nomarihiny koa fa mijanona manao tatitra ihany izy ireo, fa misy ny rafitra hafa manao ny fanenjehana ara-pitsarana. Miantso ny fanjakana kosa anefa izy ireo, hiantso fiaraha-miasa amin’ny fakana hevitra sy hanampy.
Nisy tsy nambara tany amin’ ny ladoany
Raha ny elanelana navoakan’ny Firenena mikambana, mahatratra 2.490 kilao ny volamena nafaran’ny firenena any ivelany avy aty Madagasikara, ny taona 2021. Tsy nisy anefa ny nambara tany amin’ny fadintseranana, izany hoe, io 2.490 kilao io ny elanelana. Ho an’ny taona 2020, nahatratra 2.779 kilao ny nafaran’ny avy any ivelany, nefa 1.911 kilao ny nambara tany amin’ny ladoany malagasy (elanelana 867 kilao). Ho an’ny taona 2019, nahatratra 3.291 kilao ny voarain’ny any ivelany, raha 2.422 kilao ny voasoratra any amin’ny ladoany (elanelana 868 kilao). Ho an’ny taona 2018, nahatratra 3.393 kilao ny tonga any ivelany, raha 8,53 kilao ny nambara tany amin’ny ladoany (elanelana 334 kilao). Mitotaly 4560 kilao ireo elanelana ireo.
Njaka Andriantefiarinesy