Notokanan’ny Vatel Madagascar, any Sainte Marie, ny 10 desambra 2022 teo, ny foibe fanofanana momba ny asa mifandray amin’ny fandraisam-bahiny anatin’ny hotely, mitondra ny anarana «Fanorona» : mpahandro, mpandray vahiny, mpikarakara efitrano, mpandroso sakafo.
Telo volana ny faharetan’ny fiofanana, fianarana sy fampiharana . Ny fianarana dia ao amin’ny foibe Cetamada , an’ny fikambanana Anjaranay; ny fampiharana kosa ao amin’ny hotely Vanivola. Maharitra telo volana ny fiofanana, iarahana amin’ ireo hotely sasany ao Sainte-Marie. Mahazo toerana hampiharana ny asa ireo mpianatra aorian’ny fiofanana.
Tanjona amin’io fiofanana io ny hahazoan’ireo tanora miasa, ho matihanina ny asa amin’ny hotely ao Sainte Marie, ary hitsinjovana ny tontolo iainana sy hanentanana ny tanora hikajy izany rehefa manana fidiram-bola.
Vita io fandaharanasa io, noho ny tetikasa Mitsiry iarahana amin’ny USAID sy ny tahiry Miarakap, sy mpiara-miombon’antoka maro. manana tanjona tsara ho an’ny mponina any an-toerana sy miaro ny tontolo iainana avy amin’ny famatsiam-bola ety ivelany ny Mitsiry. Voafaritra mahazo tombony amin’izany mandritra ny dimy taona ny Vatel.
« Isaorana ny mpiara-miombon’antoka rehetra, indrindra ny hotely Vanivola, ny foibe Cetemada, sy ireo tompon’andraikitra. Haharitra amin’ny asa matihanina sy fiarovana ny tontolo iainana ny fandaharanasa”, hoy ny mpitantana Vatel Madagascar.
Ndrina