Ny 12 desambra 2022, nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Rio Tinto QMM niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpanjono sy ny mpampanofa fitaovana (usufruitiers). Izany dia tafiditra amin’ny fifanarahana vita sonia, ny 20 mey 2022, niaraka tamin’ireo manam-pahefana sy ny solontenan’ny mpanao fitarainana.
Nanaiky ireo mpanjono sy ny hafa hanomboka ny fifampiraharahana. Fanambarana nataon’izy ireo nifototra amin’ny olana ara-tany, ka nitarika ny sakana eo amin’ny lalana mihazo ny toeram-pitrandrahana, efa 13 andro izao, sy hamaliana ny antson’ny QMM mba hanohy ny fifampiresahana.
Nilaza ny Tale jeneralin’ny QMM, David-Alexandre Tremblay, fa « dingana lehibe amin’ny fifampiraharahana miaraka amin’ny manodidina izao. Vonona izahay ny hifampiresaka mba hahitana miaraka vahaolana maharitra ».
Nanampy ny Governoran’ ny faritra Anosy, Raharimbola Jocelyn, « amin’ny anaran’ny faritra Anosy, dia misaotra ny QMM sy ny solontenan’ny mpanjono aho, noho ny faneken’izy ireo ny hanohy ny fifampiresahana, na eo aza ny sakan-dalana ataon’ireo manana olana ara-tany. Zava-dehibe ny hahavitantsika hatramin’ny farany ny fifanarahana natao nandritra ny volana maro »
« Faharesen-dahatra amin’ny fanohizana ny fifampiresahana, araka ny sata mifehy ny fifampiraharahana, atao amim-panajana sy fitoniana », hoy kosa Ratianirina Odile nanamafy, misolo tena ny mpampanofa fitaovana, sy Mahasosotra Christian, avy amin’ny mpanjono. Misaotra ny manam-pahefana any an-toerana sy ny QMM izy ireo. Mba hisian’ny fifampiresahana tsy mitanila, tolokevitry ny QMM ny hametrahana mpanelanelana, na mpanara-maso avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ankatoavin’ny roa tonta.
Ndrina