Mandeha ny fampiroboroboana ny niomerika eny anivon’ny fitsarana, hitantanana ny raharaha ady madio. Nankatovina ny 9 desambra teo ny bokin’andraikitra, mirakitra ny fitaovana informatika nomena ny anarana hoe « logiciel » taorian’ny dingana rehetra natao teny amin’ny fitsarana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Hisitraka sy hampiasa ity « logiciel » ity ny fitsarana ambaratonga voalohany TPI eto Antananarivo, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Morondava ary Antalaha.
Hanafaingana ny fikirakirana ny raharaham-pitsarana ity fitaovana niomerika ity. Hitovy koa ny antontam-baovao sady ara-potoana, ka hamerina ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana. Hampiasa azy ny mpitsara sy ny mpirakidraharaha. Manomboka any amin’ny fandraisana ny taratasin’ady hatrany amin’ny famoahana ny didim-pitsarana.
Nifarimbona nanatanteraka ny atrikasa nankatoavana azy, ny tohana avy amin’ny Pnud, ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID, ao anatin’ny fandaharanasa Rindra, manohana ny lafiny fanatsarana ny fitantanana na ny haitondra. Eo koa ny fanatsarana ny fahazoan’ny rehetra ny lafiny fitsarana, mba hisian’ny rafitra tsara amin’ny fitantanana ny raharaham-pitsarana.
Njaka A.