Nitrangana haintrano indray teny Anosizato Andrefana, omaly hariva. Trano fivarotan-kazo ity nirehitra tampoka ity. Samy tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpiasa sy ny tompon-trano fa ny afo efa nirehitra no nahataitra ny rehetra. Raikitra teo ny fifanjevoana satria nijoalajoala ny afo narahina setroka maintibe nahazo tamin’ireo ampahan-kazo tao am-pivarotana. Mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina, nifanome tanana samy nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ny mponina teo amin’ny manodidina niaraka tamin’ny zandary. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny fiarabe nentin’ireo mpamonjy voina namono ny afo. Araka ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina, ahina ho fipoahana herinaratra no nahatonga ny loza. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary anefa no ahafantarana ny marina rehetra momba ity firehetana ity. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny naratra na aina nafoy nandritra ny firehetana. Voafehin’ny mpamonjy voina ihany koa ny afo ka tsy nihitatra tamin’ireo hazo rehetra tao am-pivarotana sy ireo trano teo amin’ny manodidina. Misy hatrany ireo mparararaotra amin’ny fahavoazan’ny olona toy izao, ka voatery tsy maintsy niambina ny fananan’ny niharam-boina ny zandary.
J.C