Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, ny jiolahy roa nidaroka tamin’ny “bois-rond” mpanatitra entana iray tao Ambohimitsara, kaominina Ambohimangakely, distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nanafatra akanjo tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo jiolahy roa lahy. Nampandaloviny amin’ny toerana mangingina ny mpanatitra io entana io, ny 6 mey lasa teo tamin’ny 3 ora sy sasany. Nandrasan’ireo roa lahy kendritohina io mpanao “livreur” io ka nodarohan’izy ireo tamin’ny hazo. Lasa ny entana rehetra nokasain’io lehilahy io haterina izay nitetina 500 000 Ar. Vaoroba koa ny bisikileta. Nametraka fitarainana teny anivon’ny zandary tao Ambohimangakely ny mpampiasa io lehilahy lasibatra io. Vokany, voasambotra ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana. Tratra tao amin’ny tsenan’ny Pochard niaraka tamin’ireo entana halatra ny iray. Niaiky heloka ireto farany. Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja.
Tsiferana R .