Nifamaly tifitra tamin’ny jiolahy nitam-piadiana, polisy roa lahy naratra, ny alin’ny sabotsy 11 mey teo tamin’ny 11 ora.
Voan’ny bala teo amin’ny tongony ny iray tamin’ireo polisy naratra voatifitry ny jiolahy tao amin’ny fokontany Antsoha, kaominina Morafenobe, ny sabotsy 11 mey. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nanafika tao amin’ny tanàna iray anatin’io fokontany io ireo olon-dratsy. Nifampitana tamin’ireo polisy roa mpiambina anefa izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana. Tsy nanaiky lembenana ireo dahalo. Tetsy ankilany, nanao izay ho afany nandavoana ireo mpandroba koa ny polisy mpiambina. Voan’ny bala tampoka ny polisy iray ary naratra koa ny namany. Nisy naratra voatifitra tamin’ireo nikasa handroba.
Voa mafy
Naharay antso tamin’ny tsara sitrapo ny zandary miasa ao amn’ny tobim-paritra ao Morafenobe. Nentina namonjy ny CHRD Morafenobe ireo polisy roa lahy naratra. Mila entina mihazo ny Renivohitra noho ny ratra mafy nahazo azy ny iray raha ny nambaran’ny mpitsabo eo anivon’ny hopitaly. Nitohy hatry ny omaly maraina kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy nanafika. Nanampy isa ny mpitandro filaminana eny an-kianja ny fokonolona. Hitan’ny mpanaradia niraraka teny an-dalana mihazo an’i Bevoay Ambany, fokontany Antsoha, ny ra an’ireo dahalo naratra nandositra ireo.
Tsiferana R.