Toamasina : vehivavy voatifitry ny jiolahy teo amin’ny tratrany

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana indray tao an-drenivohitry ny faritra Atsi­na­nana, ny zoma teo. Nan­dritra ny fotoana nisian’ny fa­mindram-pibaikoana teo amin’ ny zandarimariam-pirenena sy ny Tafika izany. Tsy sakana ho an’ireo jiolahy anefa izany fa vao mainka aza sahin’izy ireo ny nihantsy ny mpitandro filaminana. Fanafihana mitam-piadiana roa be izao no nitranga tamin’io fotoana io. Voa­lohany, tao amin’ny fokontany Tanamakoa, tokony ho tamin’ ny 5 ora hariva, renim-pianakaviana iray avy nividy entana mitetina 5 tapitrisa Ar tao amina mpamongady iray. Mbola nisy ambim-bola 1 tapitrisa Ar tany aminy ka teo am-pivoahana ny fivarotana izy no nandrasan’ireo jiolahy. Ny entana anefa tsy teny aminy fa mbola miandry ny fanateran’ny mpivarotra azy. Tifitra variraraka avy hatrany no nataon’ireo mpanafika azy. Niditra teo amin’ny nonony ny bala ka nivoaka teo amin’ny sandriny havanana. Nosin­ton’ilay jiolahy ny poketrany. Torana tsy nahatsiaro tena izy ka nentin’ny fokonolona na­monjy ny hopitaly CHU Mora­feno. Faharoa, voan’ny balan’ ny jiolahy teo amin’ny tongony, tamin’iny lalan-tany mihazo an’i Farafaty iny, ny raim-pianakaviana iray tamin’io hariva io ihany. Voaroba ny vola 2 hetsy Ar sy finday avo lenta. Tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy. Fantatra fa nisy moto nandray ireo jiolahy taorian’ny fanafihana nataon’izy ireo.

Sajo/J.C

Partager sur: