Lehilahy voatifitra tetsy Ambohibao: teratany sinoa sy ny vadiny voasambotra

Niara-voatazona eny amin’ny zandary Ambohibao, ny alahady 12 mey teo, ny teratany sinoa iray sy ramatoa vadiny. Nifititra olona tsy nahy ilay ramatoa.

Nosamborin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibao ny teratany sinoa iray sy ny vadiny momba ny vono olona tao Miadapoana, kaominina Am­bohibao Antehiroka, ny ala­hady 12 mey teo. “Sakaizan’ ilay vehivavy vadin’ny Sinoa io lehilahy voatifitra io fa tsy anadahiny”, hoy ny fanazavan’ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambohibao. Nijanona tao an-trano io vehivavy io. Nirefotra tampoka ny basy. Voatifitra teo ambany tratrany ilay lehilahy voalaza ho sakaizany. “Nanara-maso tany amin’ny orinasa izay tsy lavitra ny trano fonenany ilay Sinoa tamin’io fotoana io”, araka ny fanadihadiana na­taon’ ny zandary. Mpanao fanaka vita amin’ny “mela­mine” ity farany. Maty teo am­bony fandriana an’ ireo teratany sinoa mivady anefa ilay lehilahy voatifitra. “Basy no­vidian’ilay Sinoa io nitifiran’ny vadiny ilay lehilahy io”, hoy ny zandary. Mpanao trano ao amin’ izy mivady ihany ity namoy ny ainy vokatry ny tifitra ity.

Fitsaram-bahoaka
Nitokona teo ivelan’ny tranon’ilay sinoa ny mponina manodidina. Nikasa hanao fi­tsaram-bahoaka tamin’ilay Sinoa izy ireo. Nifampiresaka tamin’ny solontenan’ny fokonolona ny zandary nahafahany nisoroka ny fihoaram-pefy. Araka ny loharanom-baovao hafa, nilalao domy tamin’ny mpiasany tao an-tokotaniny ilay Sinoa. Nirefotra tampoka anefa ny basy. Voatifitra tsy nahy tao anaty trano ny lehi­lahy iray. Tsy nandositra io teratany sinoa io nandritra ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ka voatana niaraka amin’ny vadiny. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fa­mo­torana lalina izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: